Articles
Fifi sy Martin RANAIVOSON dia mampilaza amintsika fa handeha hody any an-tanindrazana ato ho ato izy mivady.
Ho fanaovam-beloma antsika mianakavy monina eto Kenya, dia fifaliana ho azy ireo ny manasa antsika rehetra hiara-hisakafo ny Sabotsy 26 septambra 2009, amin'ny 12:30 atoandro ao amin'ny Japanese Tokyo Restaurant, Rhapta Road, Westlands.
Mba hahafahana manomana tsara ny fihaonantsika dia iangaviana isika handefa alohan'ny Alakamisy 24 septambra amin'ny 12 ora atoandro amin'ity adiresy email theandry@yahoo.com ity ny isan'ny olona isam-pianakaviana (olon-dehibe sy ankizy) ho tonga hanatrika izany.
Ity alefa ity ny fanoroana ny toerana misy ny Tokyo Restaurant.
Mba ampitao amin'ny gasy fantatrao ity fanasana ity fa misy tsy mijery email matetika loatra, na koa mety tsy fantatray ny adiresy email.
Manantena ny fahatongavantsika rehetra,
Mirary soa indrindra tompoko ary mametraka ny veloma mandra-pihaona..
Ny Andry

