Links News Contact Us About us Privacy Terms FAQ Add feedback Invite a friend Bookmark

Home Members Blogs Photos Groups Advertisement Infos
Articles
Fankalazana ny 29 mars, fetin'ny Paska 2010 ary fitsangatsanganana lundi de Paques.
03-22-10

 

Ry namana sy tapaka eto Nairobi (Kenya),


Dia manakaiky indray ity ny 29 mars 2010, ny Paska 2010 ary ny fiarahantsika mitsangatsangana isaky ny Alatsinainy Paska.

Dia faly indray izahay komity mandefa aminareo ny filazana manaraka.


Toy ny mahazatra dia ho ataon-tsika any amin'ny Mariste Center ( Karen)  indray ny fiarahana amin'ny Lundi de Paques (5 avril 2010), mba ankalazan-tsika ireo vanim-potoana rehetra ireo amin'io andro io, ary dia mbola isaoran-tsika manokana ny mpampiantrano indray.

Amin'io fiarahana io izany dia samy mitondra ny sakafo, voankazo, zava-pisotro toy ny mahazatra ary koa raha azo atao ny mitondra ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny fihinanana sy fisotroana ary koa ny sotrobe fandoarana sakafo. (serving spoon)

Ny programme amin'io fotoana io dia toy izao manaraka izao:

- Fotoam-pivavahana fohy ho an'ny Tanindrazana;

- Fifidianana KOMITY vaovao. (Mangataka ny fiomanan'ny tsirairay amin'izany);

- Tatitra ara-bola;

- Fanaovana lavanty (toy ny tamin'ny taona lasa).Ka dia entanina isika rehetra mba samy hanomana zavatra araka izay mahamety antsika tsirairay avy ny amin'ny vokatra atao aminío lavanty io;

- Fiarahana mifaly (misakafo, misotro, milalao...).

Dia manatena ny fahatongavan'ny tsirairay daholo izany.

Ny Komity.

Copyright © 2010 Gasykenya.