Articles
Ry namana sy tapaka malagasy eto Nairobi (Kenya).
Ilazana isika fa ny fety ny faran'ny taona 2009 dia ho atao ao an-tokantranon'i Brigitte sy Philip ny alin'ny 31 decembre 2009.
Hisy 5,000ksh avy aminy caisse ny communaute gasy hanampiana ara-bola ny fanomanana izany fety izany.
Dia ilazana indrindra ny tsirairay izay hanatrika io fety io mba hiomana aminíreto zavatra voalaza manaraka ireto.
- Mety ilaina ny fandraisana anjara ara-bola aminy fanofana ny tentes, tables sns...
- Ny aminy sakafo sy ny zava-pisotro dia atao toy ny mahazatra, samy mitondra avy ny tsirairay (Entrees, plat principal, desserts, boissons, ).
Mba hahalavorary ny fandaminana rehetra dia ilaina ny mandefa valiny alohan'ny 27 na 28 decembre fara fahatarany.
Marihina koa fa ilaina ny fandaminana momba ny aminy sakafo ho kararkarainy tsirairay mba ampisy ny varietes.
Koa dia entanina daholo isika izay mikasa ny ho avy mba hamaly an-tsoratra any amin'i Brigitte na hiantso azy alohan'ny 28 decembre 2009.
Dia mirary krismasy sambatra ho antsika daholo indray koa.
Ary dia samy ho tahian'Atra daholo hatrany isika mianakavy.
Ny Komity 2009.
