Articles
Ry Malagasy namana sy tapaka eto Kenya,
Faly miarahaba anareo tsirairay avy. Ho fanomanana ny fetin'ny Paska
am-pifaliana ho antsika eto Kenya dia mangataka ny soso-kevitra avy
aminareo izahay komity.
Tsy hisy ny fihaonana @'ny 29 martsa fa tonga dia atambatra @'ny
fetin'ny Paska io avokoa ny fialam-boly, fiaraha-misakafo, lavanty ary
ny fifidianana ny komity vaovao.
Nisy soso-kevitra roa voarainay: "Sortie" mankany Naivasha na toerana
hafa, miainga ny Zoma 2 aprily (andro tsy fiasana) ka miverina ny
asabotsy 3 aprily na "picnic" amin'ny Alatsinain'ny Paska, 5 aprily.
Raha "sortie" no atao dia mila miomana isika tsirairay mikasika ny
fandaniana (hébergement, restauration, transport, autres activités ...).
Ny transport moa azo hifandaminantsika izay manana fiara, fa raha
ilaina ny manofa fiara dia hiantohan'ny caissen'ny fikambanana.
Raha "picinic" no atao dia samy mitondra ny sakafo sahaza azy avy
sahala ny mahazatra. Ny toerana mahazatra antsika moa dia any amin'ry
zareo Marista any Karen. Raha manana hevitra toerana hafa ianareo
dia raisina an-tanandroa.
Noho izany, izay manana soso-kevitra ny amin'ny fihaonan-tsika
manaraka io, ny fandaminana sns... dia iangaviana indrindra hiantso
anay na hamaly ity mailaka ity fa hodinihina tsara izay mampety ny
rehetra.
Dia manantena ny fandraisanareo anjara ary manantitra ny fisaorana ho
antsika tsirairay avy. Mandra-pihaona Tompoko.
Ny komity
