Articles
Miarahaba antsika Malagasy rehetra eto Kenya,
Araka ny vinavinam-programantsika amin'ity taona ity dia hisy ny fihaonam-be izay hotanterahina ny Asabotsy 3 oktobra 2009 ho avy izao ao amin'ny ASSUMPTIONIST Riara Road, akaikin'ny Ambassade Egypte manomboka amin'ny 12 ora atoandro tsy diso.
Ny fandaharam-potoana dia toy izao:
- Fandraisana ireo Malagasy vaovao tonga monina eto Kenya
- Fandinihina sy fandaniana ny volavolan'ny fehim-pihavanana vaovao (aoka isika hiomana amin'ny soso-kevitra rehetra hanatsarana ny fiaraha-monintsika izay fehezin'io fehim-pihavanana io, ary hiarahantsika manapaka avy eo).
- Fanaovana tatitry ny toe-bola.
- Fiarahana misakafo, samy mitondra ny sakafo sy zava-pisotro sahaza azy avy sahala ny mahazatra.
Dia asaina mavitrika isika hamonjy io fotoan-dehibe io fa ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo ihany koa.
Misaotra tompoko.
Ny Komity
