Articles
Miarahaba Tompoko,
Misy filazana vitsivitsy ireto ho antsika Malagasy rehetra eto Kenya ka indro holazaina eto ambany ny antsimpirihany:
1- Hisy ny Tournoi de Volley Ball ao amin'ny Lycee Denis Diderot amin'ny Asabotsy 25 aprily ho avy izao manomboka amin'ny 9ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva. Isika izay vonona hamorona ekipa handray anjara dia afaka mifampiantso hahafahana mampilaza any amin'ny tomponandraikitra. Tsy misy ny vidim-pandraisana anjara. Misy kosa ny sakafo hamidy eny an-toerana mandritra ny lalao. Ka entanina isika izay mazoto handray anjara hifampiantso ary ny mpanotrona ihany koa dia antenaina ny hahatongavantsika maro amin'ny fanohanana izany ekipa Malagasy izany. Ireto ny coordonneesn'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Lycee: Email: glisia@diderot.ac.ke Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir Tel: 0733 584 297
2- Manaraka izay dia hisy ihany koa ny foire goavana izay misokatra ho an'ny daholo be:
‘4TH EGYPT & MIDDLE EAST INTERNATIONAL FAIR 2009' - Vente exposition
Toerana: Sarit Exhibition Center - Nairobi
Daty: 24 Aprily hatramin'ny 3 mai 2009 - Ora: 8:30 maraina hatramin'ny 7 ora hariva Ceremonie d'ouverture: 24 aprily 2009 amin'ny 10 ora maraina. (Misy invitation 30 isa ho antsika hahafahana miditra amin'io ceremonie d'ouverture io). Izay afaka ho avy dia ny fotoanantsika ao amin'ny Sarit amin'ny 09h45 hizarana ny invitation. Tongava maro!!! 3- Ary ny filazana farany dia hisy ny soiree dansante west-african amin'ny Asabotsy 2 mai ho avy izao ao amin'ny Intercontinental hotel. Ny fandraisana anjara amin'izany dia 3000 Ksh isan'olona. Entanina isika ho avy amin'io fa araka ny mpikarakara dia mahafinaritra be tokoa io alim-pandihizana io. Izay mikasa ny handeha dia afaka miantso avy hatrany an'i Mme Verohanta SPOONER Tel: 0733 634 702, fa manana billet 10 izy, raha mihoatra moa ny te-handeha dia vao mainka tena tsara. Afaka manomana latabatra iray, ary mila milaza mialoha satria tena be mpandeha tokoa hono io soiree west-african io.
Dia izay sy izay ny filazana vitsivitsy, ary hisaorana mialoha ny fandraisantsika anjara amin'izany rehetra izany.
Dia mandra-pihaona Tompoko. Ny komity
