Hifanena samy tia
sandratana's blog /
soratra /
Hifanena samy tia
Hifanena samy tia
Hifanena samy tia
Elanelana tandavana,
Toa maniraka hitady,
Any ho any mbola tsy hay,
Tontolo hafa izay tsy zatra,
Nifandraisana hatrizay.
Nefa koa toa tsinjoko eny,
Am`fara-tazan`iny,
Manatona ahy tsy mivily,
Ainga vao miantso avia,
Hifanena samy tia.
Sandratana Camille
Comments
- Hetahetan'ny tsy mifankahita maso tokoa izany mba hifanena samy tia izany, hetaheta miaro fanantenana fa mbola ho avy ilay maraina vaovao.
Copyright © 2010 Gasykenya.
