Links News Contact Us About us Privacy Terms FAQ Add feedback Invite a friend Bookmark

Home Members Blogs Photos Groups Advertisement Infos
Ndjanaharr's blog / tonga Soa! / Mbarakaly ...
Mbarakaly ...
25 April, 200925 April, 2009 0 comments tonga Soa! tonga Soa!
blog_7.jpg.jpg

... An-kafaliana feno no iarahabana anao tonga soa eto amin'ity takelaka ity, takelaka natao hifampizarana sy ifanampiana ary hifanentanana ho amin'ny Tsaratsara Kokoa Hatrany. Misy sehatra 4 samihafa eto dia ny SOUL'ainga, ny Samihafa, ny Ventso ary ny Fan'Ahy. Inona avy no mety ho hitanao ao anatin'ireo tsirairay avy? Voalohany, SOUL'ainga dia azo adika tsotsotra hoe AINGAM-PANAHY, natao indrindra handalinana tranga iray na maromaro mba hosainina sy hotsakotsakoina. Ny Samihafa kosa araka ny anarany dia natao hampitana vaovao isankarazany sy ireo tranga manokana mila ampitaina malaky nefa tsy misy ifandraisany firy amin'ireo lohahevitra hafa efa misy ato. Ny Ventso indray dia sehatra mba hamentsoventsoana ny hanitry ny teny Malagasy sy ny Tononkalo. Ary farany, ny Fan'Ahy dia sehatra iray natao hizarana sakafom-panahy sy dinidinika manolokolo Fanahy. Misokatra ho antsika rehetra ny takelaka ka izay indrindra no antony nitondrana ireo fanazavana ireo mba hanapy antsika hampiasa azy. Dia ataovy toy ny voankazo an'ala e ka ny mamy atelemo ; ny manta kosa avelao hiotrika fa aza teren-ko masaka sao mankarary...

© Soul' 2009

TagsTags:  
Comments
  • There are no comments yet

Description
Ndjanaharr
Posts: 4
Comments: 5
Tsy aritra...
Categories
tonga Soa! (1)
SOUL'ainga (2)
Samihafa (1)
Ventso (0)
Fan'Ahy (0)
Tags
1 soul' (1)
Copyright © 2010 Gasykenya.