Ndjanaharr's blog
"Mitaraina ny tany" hoy Andry ANDRAINA amin'ny lohatenin'ny boky iray malaza nosoratany izay, nanorotsoritany ny endri-pamoretana nahazo ireo Malagasy maro noho ny fanenjehana sy ny tsindry hazolena nianjady tamin'izy ireo. Mba indramiko ihany koa izany amboaran-teny izany entiko hanasongadinana ny fitarainan'ireo Malagasy analinkisa mitady izay mba masoandro mihiratra ho azy ireo amin'ny endriny heveriny fa mety. Voalohany dia mitaraina ny tany satria ifaninanan'ireo be vozona sy efa "voky" ny mivarotra na mampanofa an'i Gasikara. Tonga amin'ilay fiteny hoe "mivezivezy ohatra ny firaka atakalo" i Gasikara ankehitriny : mbetika lasan'ny "kely maso", mbetika lasan'ny "mena sofina", aoriana kely angamba dia ho avy koa ny "rainiboto" mba hiady varotra sy ireo maro hafa tsy voatanisa efa milela-molotra sahady mahita ilay "vilany misarona toa misy hena". Adala tokoa izay tsy mba mankafy ny azy, fa ny hafa aza miady fo mihitsy manao izay hahazoana na dia ampahany fotsiny ihany amin'i Gasikara ihany aza.
Mitaraina ny tany satria ny hazo sarobidy mandravaka sy mamelona azy dia indrisy fa anaovana "tantely afa-drakotra" ka ankoatra ireo voaripaky ny doro tanety dia voakapa mba haondrana any ho any. Efa miolomay izao tontolo izao ankehitriny amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana kanefa ny antsika ny kely ananana indray aringana sy anaovana misalobon-komana ka "raha maty aho, matesa rahavana" no manjaka. Inona no mba hovantanin'ireo taranaka faramandimby afaka taona vitsivitsy raha izao no mitohy? Raha nalaza ho "Nosy Maitso" i Gasikara taona maromaro lasa izay dia indrisy fa mitaraina izy tato ho ato fa niova ny anarany, nanjary lasa "Nosy Mena". Somary alefa lavitra kely ny saina mijery ny zava-misy, dia afaka maminavina fa mety tsy vitan'ny hitaraina fotsiny intsony i Gasikara fa tena hidradradradra mihitsy angamba. Etsy andaniny mety hiova indray ny anarana isalorany. Ny amisavisana ny ratsy, hono, hiavian'ny soa nefa raha ny tranga ankehitriny no tsy misy fiovany dia ho lasa "Nosy Ngazana" tanteraka ilay Nosindrazana malalantsika.
Mitaraina ny tany satria voahitsakitsaka ny hasina maha olona. Misy fiteny manao hoe : "Ny tanimbary fotaka, ny vola taratasy, fa ny olona no olona". Indrisy anefa fa ny olona maha Gasikara an'i Gasikara dia ifandrotehana ny mandresy lahatra azy amin'ny safosiaka mampandry adrisa mba hanohana hetsika etsy na hanamasaka tolona eroa. Dia ny "aleo maty ampitso toy izay maty androany" tokoa ve no manosika ireo mpitolona isan-tsokajiny ireo sa mba tena hitsim-po hikolokolo an'i Gasikara izay mitaraina noho ny afitsoky ny very fanahy? Miova tokoa mantsy ny tantana ka zary ny hohanina anio ity tadiavina rahampitso. Ireo filana fototra maha olona ny olona mihitsy ankehitriny no indrisy fa voahosihosy tanteraka : ny sakafo tsy ampy, ny ankizy vitsy no afaka mianatra, ny vaovao tsy marina maniry ohatry ny anana ary ifaninanana ny mamafy azy, ny fialam-boly moa tsy resahana intsony sns ...
Te hampitony ny fitarainanao aho ry Gasikara nefa ... ny herin-tsaina misy ihany fa ny hoza-pe mangozohozo. Ireo "matanjaka" sy manan-katao afaka mampitony ny fanaintainanao nefa indrisy fa toa vao mainka mitsentsitra anao no ataony. Na izany aza nefa, manantena aho ry Gasikara fa tsy ho ela dia ho sitrana ianao satria tsy ratsy daholo akory ny olona ao aminao. "Raha misy olomarina folo monja ao dia tsy ho rava ny tanana" ... Enga anie ianao izay mamaky ity mba ho anisan'ireo olona folo monja ireo.
© Soul' - 24 Apr 09
Raha mahita ny zava-mitranga ankehitriny ao Madagasikara dia lasa ny eritreritra ary lasa lavitra. Taona vitsivitsy lasa izay, fony vao nanomboka nahazo laka tao amin'ny Nosintsika ny fakan-tsary raitra sy hiaka farany dia roboka daholo babay lohavohatra mba hamoaka raki-tsary ka nandefa izany tamin'ny fahitalavitra. Nandeha ny tsikera sy ny tora-po tetsy teroa vokatr'izany tranga izany ka ao ny nilaza fa izay manana fitaovana ankehitriny dia afaka miseho fa mpanakanto ary dia mamoaka raki-tsary iray na roa. Tsy vitsy tamin'izy ireny no saika afo-mololo ihany satria vantany vao lefy laza ireo hira vitsy natonta sy naparitaka manerana ireo haino aman-jery isankarazany dia nanjavona tsikelikely tany ihany koa ireo mpanakanto namoaka azy. Tsy hanonona na iza na iza aho fa avelako hanao kajikajy tsotsotra ianareo mpamaky. Ao ihany koa ireo manezaka mafy dia mafy satria entanin'ny fo mafana sy ny hambo ka nanenjika ny randrana manendrika ny hafa. Nalaza ohatra ny kilalaky dia saika namoaka hira kilalaky avy ireo mpanara-drian-drano, manaitaitra indray ny "dombolo" dia mba nandatsaka ny fitany koa iretsy mpanao tsobo-dranon-dRamiangaly. Ny mpanjifa no tompon-tsafidy sy mpitsara ka ireo hita fa matotra dia tafalentika ao am-pon'ny manam-panahy ary "mbola hitantsika mandraka androany ny taranany" hoy ny Baiboly izay. Hitan'ny ao Avaratra fa mety ny manokatra fivarotana amoron-dalana dia mba rafitra ihany koa ny ao Atsimo mba hivarotra, ary dia saika entana mitovy ihany no amidy. Toy izay ho fifanampiana sy fifampitsinjovana no miseho dia tsena mifamono no hita ary fatiantoka aza ny vokany. Toa zary adino ny fahendren-drazana manambara hoe : "izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary ; trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana" sns...
Sarin-teny ihany izay fa ity resaka politika ity no tena tiana hasian-dresaka eto. Ekena fa "ny soa fianatra" kanefa ao koa ilay fiteny manao hoe "izay adala no toa an-dRainy". Hitan'ny sasany fa toa tetikady mitady hahomby ny "manendry tena" ho toy izao na ho toy izatsy dia mba rafitra koa ny hafa manendry tena ary milaza fa izaho no izy (Inoako fa iaraha-mahalala ilay fomba fitenin-tsika Malagasy mikasika io manendry tena io!). Hita fa "nahomby" (mbola hohamarinin'ny tantara io fa tsy hoe marina tapitrohatra aloha hatreto!) ny fidirana tao an-kianjan'ny demokrasia dia mba rafitra koa ireo nitsikera ny fidirana tao amin'io toerana io fahiny mba niditra sy nitavana. Ifaninanana toraka izany koa ankehitriny ny fanendrena Piraiministra - Sao mba misy te ho Praiministra koa ianareo? - Tsy mahagaga raha manana fomba fijery hafa ny ankizy amin'izao fotoana izao. Raha nanontaniana ny zaza iray momba ny asa tiany hatao rehefa lehibe dia tsy nisalasala izy nilaza fa hanao Ravalomanana, hono, izy rahatrizay ka lehibe. Indrisy fa dia izany no lesona azon'ny taranaka faramandimby manoloana ny zava-misy ankehitriny. Ny fafy lainga sy tsaho ary fifanaratsiana isankarazany moa tsy lazaina intsony fa dia maniry ohatra ny anana any amin'ireo haino aman-jery isan'antokony. Lasa ihany ny saina raha mahita izany rehetra izany ka latsa-bava indraindray milaza hoe andrakandrana ve izy ity sa tena izy? Kilalaon-jaza ve ity fitantanana firenena ity sa ankandasitra? Dia ho sanatria ve mbola miaina ao anatin'ny vanim-potoan'ny Fakan-tahaka ihany ny Malagasy mandraka androany? Tsy mba misy manana paikady tsy mbola nisy nampiasa ve ireo mpanao politika Malagasy ireo mba hiavahana amin'ny be sy ny maro. Sa dia marina tokoa ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra manambara hoe : "Tsy misy zava-baovao eto ambany masoandro" ka ny tonta ihany no avadibadika ary izay be mpanao ihany no ifandrotehana mba hivelarana? Isika tsirairay avy no hamaly mangina izany ary hiezaka haka lesona. "Ny teny, hono, manodoka fa ny atao mahatarika" kanefa raha izay efa misy mpanao ihany no atao, moa mety hisy fivoarana ve eto ambany masoandro? Asa lahy ... ???
Soul' - 18 Apr. 09 a 1h00 du matin (Nairobi)
