Search result
Tags - lalana
Hifanena samy tia
Elanelana tandavana,
Toa maniraka hitady,
Any ho any mbola tsy hay,
Tontolo hafa izay tsy zatra,
Nifandraisana hatrizay.
Nefa koa toa tsinjoko eny,
Am`fara-tazan`iny,
Manatona ahy tsy mivily,
Ainga vao miantso avia,
Hifanena samy tia.
Sandratana Camille
Copyright © 2010 Gasykenya.
